Samy nanamafy ny Filohan’ny Repoblika sy ny minisitry ny Fitsarana fa tsy maintsy hampiharina amin’ireo mpanolan-jaza ny famosirana satria efa vita ny 26 febroary lasa teo ny « promulgation ».
Nanamafy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, nandritra ny fitokanana ny fotodrafitrasa ho an’ny mpitandro ny filaminana an-tanàn-dehibe tany Toamasina, omaly, fa manameloka amin’ny heriny iray manontolo ny fanolanana zaza. «Maro ireo zaza tsy manan-tsiny izay tsy afaka ny handa sy hanohitra manoloana ny fanolanana. Tsy misy antony manamarina ny heloka ataon’ireo tsy mataho-tody manimba ireo zaza tsy manan-tsiny. Misarika ny sain’ny vahoaka izy sady nampieritreritra ny rehetra hoe: raha ny zanakao no misy manolana na misy manimba, ho ampy anao ve ny fanagadrana? Tsy ampy ny fanagadrana ho an’ireo mpanolan-jaza satria mitondra takaitra (ara-batana, ara-tsaina) mandra-pahafatiny ireo niharany ka tsy ho vitan’ny sazy fotsiny izany”, hoy ny nambarany.
“Misy zaza latsaky ny 5 taona, 2 taona, zaza mbola amam-bolana mihitsy aza ny sasany, izay potika tanteraka ny tranon-jaza ka tsy maintsy esorina. Anatin’ny sazy vaovao noraisin’ny fitondrana ny famosirana satria ny fitaovana izay manimba ny zaza dia tsy tokony havela hiasa intsony. Mijoro hatramin’ny farany
amin’ny hevitra ny fanjakana fa tsy maintsy vosirina ireo lehilahy mahavanon-doza”, hoy hatrany ny filohan’ny Repoblika.
Tsy misy fanavahana
Mahakasika ny fampiharana ilay lalàna vaovao famaizana ireo mpanolana zaza tsy ampy taona, nanazava ny minisitry ny Fitsarana, Ramanantenasoa Landy Mbolatiana, fa efa nanome toromarika amin’ny tsy maintsy hampiharana ny lalàna antsakany sy andavany, tsy misy fanavahana. Ny 26 febroary lasa teo no vita «promulgation» ilay lalàna. Ireny tranga niseho andro vitsy ireny dia iharan’io lalàna vaovao io avokoa, hoy ny nambarany ihany. Resy lahatra tanteraka amin’ ny fanitsina ny minisiteran’ny Fitsarana. Sady nohamafisina ny asa an-terivozona ary nampiana ilay famosirana.
Vonjy A.