Voatery, voaporitra…: Nanjary narivo fisainana ny Malagasy

« Ny razantsika hendry sy lalim-pandinihina… », hoy ny tononkira. Raha tany ambadiky ny 300 na 400 taona, mety marina io. Fa ny vanim-potoana ankehitriny, toa mandà izany. Tranga tsy tongatonga ho azy fa nisy antony. Nisy nanery, nisy nanaporitra… Nanana ny akony eo amin’ny fiarahamonina iray manontolo ilay fiovana.

Firenena tatsinanana ny Malagasy. Mandala kokoa sy manaraka ny lamina voajanahary. Manaja ny fombany, manome hasina ny momba azy. Nolalaovina ny fanorona, katro. Notendrena ny valiha. Notantaraina ny angano. Natao ny ankifidy. Nalefa ny ankamantatra. Nolalaovina ny tamaboho, ny tanisa. Nohiraina ny kalo, ny antsa, sns. nanabeazan’ny Malagasy ny zanany avokoa ireo. Avy amin’ireny no niteraka ny fahendrena sy fisainana lalina. «Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Zanahary an-tampon’ny loha», «aleo henjehin’ny omby masiaka toy izay henjehin’ny eritreritra»… «Tsy fanao ny mandavo volobe rehefa voka-bary», «fady ny mianatsimo loha», «tsy fanao ny manenji-dresy», «tsy afaka mivady ny zanak’olom-pirahavavy»…
Nanam-potoana ny Malagasy, fahiny, hany ka tafita any amin’ ny taranany ny ankamaroan’ireny fanabeazana ireny. An­kehitriny, voatery, voaporitra… Teren’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, satria, nanaiky ny hiray lasitra aminy. Teren’ny fotoana, satria, nanome lanja sy vahana azy. Teren’ny vola, satria, nametraka azy eo an-tampon’ny loha. Teren’ny filan’ny nofo, satria, nametraka azy io ho faratampon’ny fahasambarana. Voaporitry ny eboebo, satria, nanome vahana ny fizahozahoana, sns.

Marivo fisainana sy mitsingilaila
Satria efa lasa ratsy taiza noho ireo antony ireo. Nanjary narivo fisainana ny Malagasy. Tsy manana ny fototra ijoroany intsony. Mora fahanan-dalitra. Mora «lalaovina» amin-java-tsy misy fotony. Lasa tai-java-baovao ka mihinana amam-bolony. Nanjary fohy fisainana ka na ny fomba sy ny fadin-drazany aza tsy fantany akory ka navadiny ho finoanoam-poana.
Tsy nanana ny maha izy azy intsony ny ampahana Malagasy. Sakafon-tsainy isan’andro ny fiatsarambelatsihy, tsy fahatahorana an’Ilay Nahary. Nanjary tsy mataho-tody ny Malagasy sasany.
Firenena nanary ny momba azy (teny, tany, fomba amam-panao, finoana, kolontsaina…). Nandray sy miloloha ny an’ny hafa. Azo antoka fa tsy ho afaka eo ambany vahohon’ny vahiny!

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: