Niezaka nanatontosa ny endri-tseho rehetra, araka ny filàn’ny mpankafy ry Tempo Gaigy. Taorian’ny fampisehoana goavana ankalamanjana, ny «cabaret» amin’ny alina, hiroso amin’ny seho anaty efitrano indray izy ireo, anio. Manome fotoana ireo mpankafy etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina ry Faniry sy ny tariny, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. «Tena fampisehoana feno, ary hotronin’ireo mpitendrinay rehetra io. Mbola hanampy azy ireo aza i Bibs eo amin’ny saxophone», hoy ny nambaran’i Dina. Natao indrindra ho an’ ireo tsy afaka amin’ny alina izy ity.
Ao anatin’ny fanamarihana hatrany ny faha-25 taona niakarany an-tsehatra ny tarika. Efa nisy ny fanokafana ho an’ny teto Antananarivo ny volana febroary teo. Aorian’ny anio, anisan’ireo handray anjara amin’ny «Génération 2000» etsy Antsahamanitra ry Tempo Gaigy. Aorian’izay, hiondrana hiaraka amin’ireo mpanakanto malagasy marobe, hanafana ny «Festival Antsika Jiaby», izay hatao any Frantsa izy ireo. Fantatra fa ho tonga amin’io fivoahana io, hanatevin-daharana an’i Faniry, i Popoly ary i Lova Love i Dina, izay mpikambana monina any an-toerana.
Zo ny Aina