Beraketa: Karandalana nivadika, maro ny naratra

Nitrangana lozam-piarakodia indray teny amin’ny lalam-pirenena RN 13, tao amin’ny kaominina Beraketa, distrikan’i Bekily, omaly tamin’ny 3 ora maraina. Karandalana iray hihazo an’i Taolagnaro no niharan-doza tampoka teny am-pandehanana. Maro ireo mpandeha naratra saingy tsy nisy kosa ny aina nafoy. Raha ny fanazavan’ny mpamily, araka ny tatitra nampitain’ny zandary, noho ny lalana ratsy no voalaza fa nahatonga ny loza. Nirotsaka rahateo ny orana ka nalama ny lalana, nitarika ny fivadihan’ny fiara. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny zandary nifanome tanana tamin’ny famoahana ireo mpandeha avy ao anaty fiara. Nentina namonjy hopitaly ireo niharam-boina. Tsy mbola fantatra kosa hatreto ny antontanisan’ireo mpandeha naratra fa mbola tao anatin’ny vonjy aina tanteraka ny zandary.
Taksiborosy iray mampitohy an’i Morondava sy Fianarantsoa koa no niharan’ny lozam-pifamoivoizana tao Ampanataovana, RN 7, afakomaly. Olona valo naratra, tsy nisy ihany koa ny aina nafoy. Voalaza fa tratran’ny olana ara-teknika teny am-pandehanana ilay fiara ka nivadika avy hatrany. Nentina eny amin’ny Hopitaliben’i Fianarantsoa ireo naratra.

J.C

Partager sur: