Fankalazana ny 8 marsa : tohana avy amin’ny vehivavy mpiasan’ny Star

Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny vehivavy mpiasan’ny orinasa Star, omaly. Hetsika “sosialy tomponandraikitra” no nataon’izy ireo, nanome fanampiana ny reny sy ny zaza tany amin’ny toerana miisa 13 (Antananarivo, Andranovelona, Ambatolampy, Antsirabe, Antsiranana, Nosy Be, Ambanja, Sambava, Toamasina, Moron­dava, Manakara, Ihosy, Toliara) ahitana ny orinasa.
Nizarana fitaovam-pianarana ny mpianatra sahirana, zavatra ilaina andavanandro, PPN, ho an’ny vehivavy voa­fonja ary hazo fihinam-boa ho an’ny toby fitaizana zaza kamboty. Natao tetsy amin’ny toby fitsaboana ho an’ny reny sy ny zaza Chumet Tsaralalàna ny hetsika ho an’Antananarivo. Nahazo fitaovana ara-pahasalamana sy kojakoja fiterahana avy amin’ny vehivavy mpiasan’ny Star ny reny sy ny zaza manaraka fitsaboana ao an-toerana.
Mitohy hatrany ny Andraikitra sosialin’ny orinasa (RSE) izay fitsinjovana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ataon’ny Star, amin’ny alalan’ireo mpiasa vehivavy ao aminy.

Njaka A.

Partager sur: