“Vehivavy 18 samy manana andraikitra anatin’ny firaisamonina sivily misehatra amin’ny lafiny maro no mivondrona ao anatin’ny Women Lead in Emergency Risk and Disaster Reduction and Climate Change, taorian’ny fihaonana natao ny volana janoary lasa, teto Antananarivo”, hoy ny filoha lefitry ny Vovonana, Randriamparany Tantely Sarah, afakomaly, teny Anosy. Mpikaroka avy eny amin’ny oniversite (DMGRC, IOGA…) tomponandraikitry ny BNGRC, minisitera… ary manam-pahaizana avy amin’ny sehatra samihafa no mivondrona ao anatin’ny vovonana. Mpikambana amin’ny tambajotra maneran-tany itambaran’ny firaisamonina sivily ho fanamafisana ny fiarenana aorian’ny loza izy ireo.
Teraka ny hevitra fa ilaina ny mitambatra taorian’ny fahatsapana fa mbola vitsy ny vehivavy mpisehatra amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza aty Afrika sy eto Madagasikara. Rehefa tonga anefa ny loza, tsy mitovy ny fiantraikany amin’ny lehilahy sy ny vehivavy satria marefo kokoa ny vehivavy. Noho izany, mila mandray andraikitra ny vehivavy. Asa dimy no hifotoran’ny Vovonana ka voalohany ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vehivavy marefo. Hampiofanina izy ireo ho maromaro ny loharanom-bola miditra aminy ka rehefa tonga ny voina, misy fidiram-bola amin’ny zavatra voafehy hafa ankoatra ny asa mahazatra. Eto Analamanga no hanombohana ny fampiofanana. Hamolavola sahanasa ho an’ny dimy taona koa ny mpikambana ao amin’ny Vovonana iarahana amin’ireo sehatra voakasika rehetra. Manohana ny Vovonana ny Unicef sy ny UNFPA.
Vonjy