Nihaona sy niara-nifety tetsy Andrefan’Ambohijanahary ireo vehivavy mpikambana ao anatin’ny Firaisankinan’ Iarivo ho Fampandrosoana (FIF), omaly. Tonga nanatrika izany ny mpivarotra, ny fikambanan’ ny mponina ary ny mpitantana fotodrafitrasa eny ifotony eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Votoatin’ny fihaonana ny fifanakalozan-kevitra narahina adihevitra mahakasika ny anjara andraikitry ny vehivavy mba hampandrosoana ny tanànan’Antananarivo. Nahafahana nijery todika ny zava-bita hatramin’izay nisian’ny fikambanana ary namaritra ny asa miandry mandritra ny herintaona indray. « Tsy natao ho fifaliana fotsiny ny 8 marsa, fa natao hanaovana jery todiky ny andraikitry ny vehivavy ao anatin’ny fiarahamonina sy eo anivon’ny tokantranony ary eny amin’ny fiarahamonina misy azy », hoy ny filohan’ny fikambanana, Ravololomanana Lalatiana. Andro iray hikaonandoha sy hifampizarana traikefa. Zava-dehibe ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy mba hahafahana mampandroso ny tanàna. « Fampandrosoana ny tanàna no atao fa tsy fiandaniana ara-politika na fanompoana olona», hoy hatrany ny filohan’ny fikambanana, Ravololomanana Lalatiana.
Mino