Fifaninanana 8 marsa: lasan’ny vadin’ny polisy ny 5 tapitrisa Ar

Anisan’ny nanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ ny zon’ny vehivavy, 8 marsa, tetsy Ambohidratrimo ny avy amin’ny faritra Analamanga. Anisan’ny nampiavaka ny hetsika ny fanohanana sy ny fanomezan’ny vadin’ny filoha, Rajoelina Mialy, valisoa lehibe ho an’ireo fikambanam-behivavy mendrika sy nanao seho niavaka tamin’ny filaharambe sy ny matso. Nibata sy nahazo izany valisoa izany, noho izy ireo nahazo ny laharana voalohany, ny Fikambanan’ny vadin’ ny polisy (Fivapo). Nisi­traka ny vola dimy tapitrisa Ar izy ireo tamin’izany. Nahazo ny faharoa, notolorana ny lela­vola telo tapitrisa Ar ny eo anivon’ ny Vehivavy miarina sy miray hina avy eny Ambohi­ma­na­rina. Teo amin’ny laharana fahatelo kosa ny eo anivon’ny FJF Ma­dagasikara Ambohi­dratrimo. Nibata ny valisoa roa tapitrisa Ar.

Nahazo valisoa manokana ny vehivavy zandary

Etsy andaniny, nisy koa ny valisoa manokana nomena ny vehivavy zandary ka nisitra­han’izy ireo ny vola hatrany amin’ny roa tapitrisa Ar.

Naneho fankasitrahana manokana tamin’izao hetsika fanohanana sy fanampiana nataon’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, izao ny eo anivon’ny fiadidiana ny faritra Analamanga. “Naha­tsiaro manokana sy tsy nanadino izy”, hoy ny governora, Rasoamaromaka Hery.

Synèse R.

Partager sur: