Filoha Rajoelina: “Ampirisihina ho kandidà ny vehivavy”

Mialoha ny fifidianana izao… Tao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, nampirisika ny vehivavy hirotsaka sy harotsa-kofidina ny filoha Rajoelina Andry.

“Ho avy izao ny fifidianana solombavambahoaka. Mam­pi­ri­sika anareo vehivavy aho, indrindra ireo antoko politika: raha mbola azo atao ny manolotra sy misafidy ary mifidy vehivavy kandidà dia fidio ny vehivavy kandidà mba hisolo vava sy hisolo tena eny anivon’ny Antenimierampirenena.” Io ny kabarin’ny filoha Rajo­elina Andry tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, tany Toamasina, omaly. Ao anatin’izay fifidianana izay, tapitra tamin’ny 15 febroary ny fisoratana anarana. Nefa mbola misy 20 andro, hatramin’ny 20 marsa, ahazoana manamarina na ao anatin’ny lisi-pifidianana na tsia ny tena. Nentaniny ny olompirenena rehetra, indrindra ny vehivavy, hijery ny anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Amin’ny alalan’ny fifidianana no hahazoana manefa ny adidy sy mandray ny zo amin’ny fifidianana.
“Amiko, manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny vehivavy. Amin’izao fe-potoam-piasana faharoa itantanako ny firenena izao, araka ny efa nambarako: tsy hamela ny vehivavy hiady irery aho, fa hifanome tanana tanteraka aminareo, hiara-dia sy hiara-dalana ary hifanohana aminareo vehivavy sy fikambanam-behivavy”, hoy izy. Mila omena sehatra manokana ny vehivavy. Rehefa misy ny fisafidianana ho tomponandraikitra manokana izay tokony homena eny amin’ny minisitera, ohatra, raha mbola misy ny vehivavy manana fahaiza-manao sy traikefa dia aleony lavitra misafidy ny vehivavy toy izay ny lehilahy. Nasehony izany eo anivon’ny fiadidiana ny Re­pob­lika, satria vehivavy avokoa ny 90%-n’ny tale.

R. Nd.

Partager sur: