Niofana mahakasika ny teny tanana ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana 30 avy amin’ny faritra Amoron’i Mania sy Alaotra mangoro. Notolorana mari-pankasitrahana tetsy amin’ny Akanin’ny Marenina (Akama) 67ha, izy ireo, omaly. Nandritra ny tapabolana ny fiofanana nampanaovin’ny fikambanam-behivavy manana fahasembanana eto Madagasikara (Afham).Vitsy ireo vehivavy marenina manatona tobim-pahasalamana eto Madagasikara, raha ny zava-misy. Antony mahatonga izany ny tsy fahaizan’ny mpiantsehatra ara-pahasalamana io teny tanana io. Vokany, tsy manana fahalalana ireo vehivavy marenina manoloana ny fandrindram-piterahana sy ny fahasalamana ara-pananahana… « Nampianarina ny teny tanana, noho izany, ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana mba afaka handray am-pifaliana sy tsy am-patahorana ireo vehivavy marenina tonga mitsidika ny tobim-pahasalamana », hoy Razafinjato Fela, filohan’ny Afham, nandritra ny hetsika tetsy 67 ha, omaly. Nambarany fa fomba iray ahafahan’ ny marenina mifanerasera amin’ny mpiara-belona aminy ny fahaizana ny teny tanana.
Nentin’izy ireo nankalazana ny Andron’ny 8 marsa ihany koa ny hetsika. Anisan’ny zo fototry ny vehivavy marenina ny zo ara-pahasalamana. « Tsy ho tanteraka mihitsy izany raha toa ka tsy misy olona mifanerasera sy mifandray amin’izy ireo amin’ny alalan’ny teny tanana », hoy hatrany ny filohan’ny Afham, Razafinjato Fela.
Mino