Tsy mitsaha-mitombo ! Manomboka mahaliana ny Malagasy ny mitsidika valan-javaboahary. Manana ny anjara birikiny ny fisian’ny hetsika “Tsenaben’ny fizahantany”, nanomboka ny taona 2020. Tanjona ny hampiroboroboana ny fizahantany anatiny, satria nampihisatra ny fizahantany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy teto Madagasikara, ny fisian’ny tranga Covid-19.
Araka ny antontan’isa avy amin’ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), nitombo tsikelikely ny mpizahatany eto an-toerana. Nahatratra 12 018 ny mpitsidika, teratany malagasy, tany amin’ny valan-javaboary ny taona 2020. Niakatra ho 27 289 (avo roa heny) izany, ny taona 2021, ary 46 965 (avo roa heny koa), ny taona 2022. Nahatratra 63 897 tamin’ ny taon-dasa 2023 izay azo antoka fa mbola hitombo hatrany amin’ity taona ity.
Nilaza ny mpandraharaha amin’ny fandraisam-bahiny iray any Andasibe, fa anisan’ ny nampitombo ny mpizahatany malagasy ny fisian’ireo mpandraharaha mikarakara fitsidihana iombonana eto
an-toerana. Niroborobo fatratra izy ireny, taorian’ny krizy Covid-19, nanomboka ny taona 2021. Anisan’ny toerana mahaliana ny Malagasy ny mankany Nosy Be, Toliara, Isalo, …, raha ny vahiny no nahazatra hatramin’izay.
Njaka A.