« Gout France 2024 » : hisongadina ny haify frantsay

Tanterahina ny 12 sy 13 marsa 2024, eny amin’ny Institut français de Mada­gascar (IFM) Analakely, ny «Gout de France 2024». Hetsika eo amin’ny sehatry ny haify sy nahandro frantsay. Mpisehatra avy eto an-toerana sy avy any ivelany no hi­fampizara sy handranty ny fahaiza-manaony amin’izany. Ny mahakasika ny haify fran­tsay no tena hasongadina mandritra izany. Tanjona ny hampiroborobo sy hampanaraham-penitra ireo mpisehatra.
Fotoan-dehibe ho an’ny eo amin’ny tontolon’ny haify, araka izany, ny eny amin’ny IFM Analakely, amin’ireo daty voatondro ireo. Anisan’ny ho hita eny an-toerana ny fihaonana sy fifanakalozana amin’ ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny haify sy ny nahandro frantsay. Eo koa ny fampirantiana sy ny velakevitra. Anisan’ny hizara sy hitondra ny fahaiza-manaony ary ny traikefany amin’izany i Eric Boutté sy Michel Widehem, samy frantsay manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny haify. Hanampy azy ireo koa i Lalaina Ravelo­manana, Malagasy anisan’ny sangany eo amin’ity taranja ity.

Anisan’ny ho hita mandritra ny hetsika ny fanandra­mana divay sy fromage vita frantsay, izay anisan’ny mampiavaka azy ireo. Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ireo mpianatra sy izay maniry ny hisehatra eo amin’izany sehatra izany ny hetsika.

Lin

Partager sur: