Velon-taraina ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny IFIRP, taona 2020 hatramin’ny taona 2022, fa tsy mbola nisy voaray ho mpiasam-panjakana raikitra hatramin’ izao. Miisa 1 400 izy ireo ary lasa miasa amina hopitaly tsy miankina kanefa miandrandra ny fandraisan’ny fanjakana azy ireo.
Natolotra tamin’ity herinandro ity ny fitaovana niomerika ho an’ny Oniversiten’i Fianarantsoa avy amin’ ny Unité de gouvernance digitale (UGD). Tanjona ny hametrahana ny tena digitalisation ka atomboka eny amin’ny oniversite izany. Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana rahateo ny ezaka atao.
Nankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy ny fikambanana Destiny tarihin’ny vadin’ ny ben’ny Tanàna Ivato, Hoby Randrianarisoa, omaly. Fizarana fanampiana ho an’ireo renim-pianakaviana sahirana manodidina ny 300 ao anatin’ny kaominina no natao. Miompana amin’ny asa soa ny fikambanana.