Kolontsaina malagasy : mifameno ny lahy sy ny vavy

Firenena tia sy mora babon’ny fakan-tahaka ny Malagasy. Izay mipoitra any ivelany, arahina avokoa. Mihintsana tsikelikely ny maha izy azy. Voatazona miandalana ny an’ny hafa ka zary miteraka hambo hafahafa !

Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, hono, ny omaly. Rehefa mety hanehoana ny «lanjan’ ny vehivavy» eo amin’ny fiarahamonina, natao avokoa. Mialoha sy aorian’ny 8 marsa, foto-kevitra maro no efa naparitaka tamin’ny fomba maro (Haino aman-jery, tambajotran-tserasera, fandaharam-pianarana). «Mitovy zo ny lahy sy ny vavy», «ilaina ny miralenta», «tsy fanaka ma­lemy izany intsony ny vehivavy», sns. Ny fivoizana tsy miato ireny hevitra ireny no mamboly toe-tsaina vaovao eo amin’ny vehivavy. Iny ilay ambadika tsy tsapa raha tsy efa mby an-koditra !

Teo amin’ny fiarahamonina malagasy, nifameno ny lahy sy ny vavy. Ny fanabeazana sy ny fitaizana ny taranaka no tena nampiharihary azy io. Fotoana nampisongadina ny dinika amorom-patana sy ny tafa eo andrefan-tanàna. Niitatra nankany amin’ny fihariana izany taty aoriana. Anjaran’ny lehilahy ny manatanteraka ny asa ilaina herim-batana kokoa (miasa tany), an’ny vehivavy kosa ny mikajy ny antsipirihany (miava, manala ny ahidratsy). Tahaka izany hatrany tany amin’ny sehatra maro.
Ilaina tohizana ny fifamenoina

«Ireo lehilahy ireo…», «vi­tantsika ny vitan’ireo», sns ! Noraisin’ny vehivavy ho fahavalo ny lehilahy. Matetika aza, napetrany ho mpifaninana aminy ny lehilahy. Tsy tazana loatra intsony ilay fifamenoana. Ankehitriny, mipoitra etsy sy ero ny hoe «lehilahy resim-bavy». Fa angaha moa natao hifampitana hery (bika, endrika, fampidiram-bola, andraikitra tazonina…) ireo ?
Lamina voajanahary ny fifamenoana eo amin’ny lahy sy ny vavy. Hain’ny Malagasy izany na nisy ny 8 marsa na tsia. Tsy hanana tanjona hanamafy azy io ny vahiny. Ny handravana izany aza no ka­tsahiny mafy mba tsy hampatanjaka ny fiarahamonina ma­lagasy !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: