Io indray koa! Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany fahadimy (CSP5) Mahamasina, teny Anosizato Atsinanana, omaly, ny rangahibe iray 63 taona nanolana ny zanany vavy. Ny mpiara-monina aminy eo Anosizato no nampandre ny polisy momba ny fisian’io rangahibe manao fihetsika feno habibiana amin’ny zanany vavy 18 taona io. Tonga teny an-toerana ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’io raim-pianakaviana mifototra amin’ny zanany io. Nandritra ny famotorana nataon’ny polisy no nilazany fa nandritra ny telo taona no nanaovany izany fanolanana izany. Nolazainy fa efa nitoe-jaza io zanany vavy io saingy notereny nesorina. Tsy vitan’izay fa rahonany hatrany io zanany io rehefa te hanao ny filan-dratsiny izy ka manaiky izay sitrapony. Tsy avelany hitaraina na amin’iza na iza fa ampihorohoroany. Misy amin’ireo mponina ao an-tanàna anefa efa mahatsikaritra ny fihetsiny amin’io zanany vavy io. Natolotra ny sampandraharaha miaro ny zaza sy ny olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady ny raharaha. Hatolotra ny fampanoavana ity raim-pianakaviana ity aorian’ny famotorana ataon’ny polisy.
J.C