“Pureplay Football League”: hanafika ny Mama FC ny Elgeco Plus

Hitohy rahampitso alahady 10 marsa ny andro fahefatra hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, na “Pureplay Football League” (PFL). Hiditra an-tsehatra avokoa ireo ekipa 16 mifaninana amin’izany. Ani­san’ny lalao goavana andrasan’ny maro ny fihaonan’ny Elgeco Plus sy ny Mama FC, ao amin’ny kaonferansy atsimo. Hanafika ny tranom-piantohana any amin’ny kianjany any Imerintsiatosika ny Elgeco Plus. Raha tsiahivina, samy tsy mbola resy ireto ekipa roa ireto. Na izany aza, mitarika ny Elgeco Plus, manana isa 7 ary fahatelo ny Mama FC, isa 5. Hanalavela, amin’ity, ny Mama FC.
Ankoatra izay, mbola lalao hangotraka ihany koa ny an’ny Disciples FC laharana voa­lohany sy ny CFFA fahavalo farany.

Tompondaka

Kaonferansy avaratra

Alahady 10 marsa
Kianja Tsiroanomandidy
02:00 – Ajesaia vs Tsaramandroso FC
Kianja Antsiranana
02:00 – ASA Diana vs Uscafoot
Kianja Rabemananjara Mahajanga
02:00 – Fosa Jr vs AS Fanalamanga
Kianja Ambanja
02:00 – KFCA Diana vs Cosfa

Kaonferansy Atsimo

Kianja Me Kira Toliary
02:00 – 3FB Toliary vs Dato FC
Kianja Elgeco Plus Stadium
02:00 – CFFA vs Disciples FC
Kianja Imerintsiatosika
02 :00 – Mama FC vs Elgeco Plus
Kianja Ampasambazaha Fianarantsoa
02 :00 – Zanakala FC vs Inate FC Rouge

Partager sur: