Rajoelina Mialy : “Handray an-tanana ny fitsaboana ireo zaza voaolana”

Hitondra ny feon’ireo zaza tsy manan-tsiny misy manolana sy hanaovan’ny fianakaviana akaiky habibiana ny vadin’ny filohan’ny Repoblika. Hanohy ny famongorana ny herisetra atao amin’ny ankizy ihany koa izy.

Manentana ny ray aman-dreny hanohana ny zanany vavy hanohy fianarana hatramin’ny ambony indrindra hahazoany manatanteraka ny nofinofiny any aoriana ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, tany Toamasina. Tokony hanabe ny zanany lahy koa ny fianakaviana hanaja ny vehivavy hisorohana ny herisetra samihafa mahazo vahana, amin’izao fotoana izao. Noha­ma­fisiny, nandritra ny lahateny, fa hanohy hijoro hiaro ny ankizy amin’ny herisetra, indrindra ny fanolanana, ny tenany. Han­dray an-tanana ny fitsaboana ireo zaza niharan’ny fanolanana izy sy ny fikambanana Fitia. Miantso ny fanjakana sy ny tomponandraikitra koa izy hanome ny sazy sahaza ary tsy hanisy indra fo ireo mpanolana zaza satria tsy misy afaka hanarina ny takaitra navelan’ny fanolanana na ara-tsaina na ara-batana.
Ho an’ny vehivavy manokana, nanambara izy fa tokony hifanohana izy ireo ka hifampisintona miakatra satria mahavita zavatra sy afaka mitondra fanovana ho an’ny ankohonany. Hampitomboina ny tetikasa fanohanana ny vehivavy in­drindra ireo marefo amin’ny fanofanana samihafa.
Nametraka politika sy paikady ny fanjakana ahafahan’ireo vehivavy mizaka ny zony ka hahatonga azy ireo hahaleo tena. Maro ireo ezaka efa natomboka ary mbola ho tohizana, toy
ny fananganana fotodrafitrasa, ahafahan’ireo fikambanam-behivavy misitraka fampiofanana, fampitaovana, fitadiavana lalam-barotra ary indrindra ny tohana entin’ny fitondram-panjakana. Manampy ireo ny fametrahana ivotoerana ho fandrai­sana ireo vehivavy niharan’ny herisetra mba ho fanarenana azy ireo, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Fomen­draza Haingo Nambinina. « Vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso”, izay no lohahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity.

Vonjy A.

Mbola nanentana ny ray aman-dreny hanao vaksiny ny zanany ao anatin’ny hetsika “caravane médicale faha-23” ny vadin’ny Filoha satria betsaka ny aretina azo sorohana amin’ny fanaovam-baksiny maimaimpoana. Olona 100 000 no nisitraka tolotra fahasalamana manakaiky vahoaka ho an’ny distrika efatra.

Partager sur: