Hotontosaina ny 22 sy ny 25 marsa ho avy izao, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao ara-pirahalahiana hataon’ny Barea de Madagascar. Hanokatra izany ny fihaonan’ny ekipa nasionaly malagasy amin’i Burundi ary ny farany, hifanandrina amin’i Rwanda izy ireo.
Hikarakara fifaninanana nasionaly amin’ny taranja baolina kitra lalaovina anaty trano « Futsal » ny federasiona malagasy (FMF). Hisy ny vaomiera manokana hisahana sy hampivelatra izany taranja izany eto Madagasikara. Araka ny vaovao voaray, hatao amin’ ity taona ity ny fifanintsanana.
Notontosaina teny amin’ny Oniversite Antananarivo Ankatso, omaly, ny fifaninanana basikety entina hanamarihana ny Andro iraisam-pirenen’ny vehivavy. Marihina fa ny sokajy “seniors” sy ny U13 no nandray anjara tamin’ny basikety 5×5, raha toa ka ho an’ireo ankizy U10 ny Skills Challenge.
Efa tafita amin’ny dingan’ny ampahefa-dalan’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions » ny ekipan’ny Real Madrid, Espagne, PSG France, ny Bayern Munchen, Allemagne, ny Manchester City, Anglisy. Tsara ny mampahafantatra
fa mbola hiatrika ny lalao ampahavalon-dalana ny FC Barcelone, Espagne, ny Naples Italie, Inter Italie.