TARATRY ny KANTO

« Fitia maroloko », hozarain’ny Tropy Jeanette. Fampisehoana hira teatraly, notsoingaina tao anatin’ ireo tantara klasika nanana ny lazany, nolalaovin’ny tropy hatramin’izay, ity hatao rahampitso, etsy amin’ny IFM Analakely ity. Tafiditra anatin’ny hetsika «Temps Fort Théatre» ka anasany ny tropy zokiny indrindra eto Madagasikara mba handray anjara.

« Tsidika fokotany », hoy ny filazan-dry zalahy azy ity. Seho izay hotontosain’i Benny sy Bebey ary i Nini, etsy amin’ny Atelemec Ankorondrano. «Revy Lôlô sy ny tariny» mazava loatra, hanakaiky kokoa ireo mpankafy, izay miezaka ihany koa mampiaina miaraka amin-dry zalahy. Ora vitsivitsy hiverenana ny 45 taona lasa indray ny anio, araka izany.

Taorian’ny fizarana ny fidiovana. Rahampitso 10 marsa, hitohy ny alatsinainy 11 marsa no hanatanterahina ny fankalazana ny Taombaovao Malagasy. Toerana maro manerana ny Nosy sy any ivelan’i Madagasikara no ahitana ny hetsika. Fandrehetana ny afo tsy maty, fitondrana izany manodidina ny tanàna, tsodrano, sambasamba…

Ao anaty fanomanana tanteraka ny fifaninanana maro samihafa, eo amin’ny sehatra nasionaly ny mpiangaly Slam manerana ny Nosy, anisan’izany ny Madagaslam Section Tanà (MST). Amin’ity anio ity, hisy ny hetsika atrikasa sy fampisehoana misokatra ho an’ny rehetra, eny amin’ny CGM Analakely, manomboka amin’ny 10 ora maraina.

Partager sur: