Tetikasa Padap : nahatratra 4 360 ha ny velaran-tany voajary

Anisan’ny nisitraka ny tetikasa Padap ny faritra Analanjirofo. Maro ny fotodrafitrasa vita amin’ny fanajariana ny lemaka sy ny fikarohana lalam-barotra ho an’ny tantsaha.

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny 28 sy ny 29 febroary 2024 teo, tany Vavatenina sy Soa­nierana Ivongo, faritra Analan­jirofo, ny Tetikasa ho an’ny famokarana maharitra mitsinjo ny tontolo voarindra (Padap). Mamatsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena, izay tanterahin’ny minisiteran’ny Fam­bo­­lena sy ny fiompiana (Minae). Misy koa ny fiaraha-miasany amin’ny minisitera hafa, toy ny ao amin’ny Tontolo iainana (Medd) sy ny hafa.

Miisa 18 959 ny tantsaha mpamokatra nahazo tohana tamin’ny Padap tany amin’ny faritra Analanjirofo. Miisa roa ny tontolo voarindra any an-toerana, Iazafo sy Soanierana Ivongo, ka nahatratra 4 360 ha ny velarantany voatondraka sady voajary tao anatin’ny dimy taona, nisian’ny teti­kasa.

Maro ny fotodrafitrasa vita tao amin’ireo toerana roa ireo. Miisa 76 ny tohodrano nohavaozina. Mirefy 124 km ny lakandrano voajary sy 63 km ny lalana nohatsaraina. Miisa 54 ny fikambanan’ny mpampiasa rano (AUE) nahazo to­hana tamin’ny Padap. Naha­tratra 32 ny fifanarahana ara-barotra voasonia amin’ny lafiny lalambarotra.
Eo amin’ny lafiny tontolo iainana, nahatratra 1 100 ha ny velaran-tany nambolena hazo. Misy 1 129 ha hafa, eo andalam-pamitana iaraha-miasa amin’ny tetikasa Tahi­rim­bola miasa ho an’ny fampandrosoana (Fid). Misy tanety 477 ha ihany koa voajary.
Nahomby ny tetikasa

Araka ny tombana natao, tratra ny tanjona napetraky ny Padap amin’ny ankapobeny. Nahomby ny zava-bita tamin’ ny nametrahana ny tontolo voa­rindra any amin’ny faritra Ana­lanjirofo. Nilaza ny tantsaha nisitraka ny tohana fa « tsy ho very ny fahaiza-manao napetraky ny tetikasa na tapitra aza. Hivelatra sy hotohi­zana ho ma­haritra ho an’ny taranaka ». Efa misy ny lamina napetraky ny Padap hampaharitra ny fitantanana ireo fotodrafitrasa, hiarahana miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka eny ifotony.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: