Renim-pianakaviana iray naratra nianjera avy eny ambony taxi-be, omaly maraina, teny Ankadimbahoaka. Handeha hiasa eny amin’ny orinasa afakaba iray eny an-toerana izy, kanjo izao tra-doza izao. Olona tsara sitrapo no nitondra azy namonjy toeram-pitsaboana. Efa nahazo ny fitsabona sahaza azy izy.
Mpanendaka iray niharan’ny fitsaram-bahoaka teny Anosibe tsena, omaly atoandro. Avy nanendaka renim-pianakaviana iray hiantsena izy no nifanenjehan’ny fokonolona. Vono, daroka no niantefa teny aminy saingy tafaporitsaka ihany izy. Natsipiny kosa ny poketra avy nendahiny ka tafaverina tamin’ny tompony ihany.