VAOVAO TAMBATRA

Maro ny vehivavy mitana andraikitra ambony eo amin’ny sehatry ny asa vaventy. Nivoitra izany nandritra ny atrikasa momba ny Tetikasa fampandrosoana maharitra ny sehatry ny lalana (PDDR) sy ny Fampitohizana ny rohy hisian’ny fampandrosoana miaty (PCMCI), tohanan’ny Banky iraisam-pirenena.

Anisan’ny nisongadina ny 8 marsa, omaly, tany Toamasina, ny fampirantiana ny taozavatra
vitan’ny fikambanam-behivavy. Voakasik’izany ireo
misehatra amin’ny rofia sy ny fanodinana indray ny taratasy avy nampiasaina. Nofanina amin’ny fikarohana mpiara-miombon’antoka sy ny lalam-barotra izy ireo.

Hatao ny 12 marsa ho avy izao ny fampiofa­nana mahakasika ny fiompiana trondro, any Van­gain­drano. Hanomboka amin’ny 8 ora maraina ny fotoana, ao amin’ny EPP Betoafo Vangaindrano sady maimaimpoana rahateo. Hifantohana ny fiompiana trondro ankapobeny, fa anisan’ny horesahina koa ny fiompiana trondro anaty fefy mitsingevana.

Sokajiana ao anatin’ny hetra tambatra na Impôt synthétique (IS) ny orinasa na mpandraharaha mampiasa vola kirakiraina latsaky ny 400 000 Ar isan-taona. Mialoha ny 31 marsa 2024 ny fe-potoana farany handoavana io hetra io. Anisan’ny voakasik’izany ny mpisehatra amin’ny fambolena, ny fiompiana, ny mpanao asa tanana, ny mpivarotra, ny miasa amin’ny
tolotrasa na servisy, sns.

Partager sur: