Vita izay ny fety !

Naresak’olona ny tanàna, omaly ! Hita fa tompon’ny fanentanana mihitsy ny vehivavy tamin’ny toerana rehetra nisy kivorivory sy namoriana azy ireo. Nahoraka ny fankalazana ny andron’ny 8 marsa manerana ny Nosy. Samy nanao izay ho afany, hatrany amin’ny fokotany faran’izay madinika indrindra. Niavaka ny vakodrazana sy ny fanamiana nitovy. Nahafatifaty izaitsizy ny fianjaikan’izato zatovovavy sy ny efa zokinjokiny, eny hatramin’ny ankizivavy kely aza mba nanao izay ho afany.
Raha jerena ivelany, tafita ny hafatra amin’ny firaisankina sy ny fiaraha-miarina ho antoky ny fampandrosoana. Nisinisy ihany koa, hoy ilay tsy mahay manisa, ny vehivavy afaka nisitraka tantsoroka sy fanohanana avy amin’ny fanjakana. Misy ny nahita asa avy hatrany, misy ny afaka nanokatra seha-pihariana mahaleotena. Azo tsapain-tanana ny ezaka.
Indrisy anefa, tsy ampy izany, mbola ny tokonam-baravarana no voadingana raha ny toe-javamisy iainan’ny vehivavy maro anisa eto Madagasikara. Takon’ilay fety ny fitakiana ny zo fototra vontoatin’ilay hetsika manokana. Diso ny fijery sy ny filazana fa marefo ny vehivavy. « Tsia ! », ireo karazana zo tokony homena azy no mbola marefo. Ny fanomezana azy izany no mbola marisarisa sy mihisatra.
Vita izay ny fety, toerana ho an’ny asa ahafahana mandrefy ny bainga voavadika izao. Anisan’ny vina sy fanamby iray goavan’ity fitondrana ity rahateo ny miralenta. Efa mba hita soritra ny ezaka, indrindra amin’ny fametrahana vehivavy ho mpanapa-kevitra. Maromaro ihany koa ny minisitera efa manana tale sy lehiben’ny sampandraharaha vehivavy.
Tsy ho tratra anefa ny tanjona raha tsy mahazaka tena ny vehivavy. Andrasana izay politika mahomby manome lanja ny vehivavy. Andrandraina fatratra koa ny fifanohanana fa tsy fifampisomparan’ny samy vehivavy.

r.r

Partager sur: