Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny fitsabahan’ny vahiny amin’ny raharahan-tokantranon’ny Malagasy. Ny amin’ny fanasaziana amin’ny alalan’ny famosirana ny raharaha fanolanana zaza tsy ampy taona no antony. Nisy ny fampiakaram-peo amin’ny fiarovana zon’olombelona. Tonga hatramin’ny fitsabahana amin’ny raharaha anatiny ny avy any ivelany amin’izany? Ao ny mihevitra fa izay manana sy mandoa vola no mibaiko sy manjaka, mahazo manao izay saim-pantany, ohatra. Hatramin’izay izany noho ny fiankinandoha lava amin’ny any ivelany amin’ny trosa sy ny fanampiana.
Tsy vitan’izay, ny eto anatiny koa no misy miady na mampiady an-toerana? Dia mitsabaka ho azy ny vahiny… Sanatria, misy saro-piaro amin’ny olon-dratsy? Rehefa ny dahalo, ohatra, no misy matimaty foana, mijoro ny miady amin’ny fiarovana zon’olombelona. Ny fitondram-panjakana no tena voateniteny amin’izany. Tsy hafa amin’ izany ny amin’ny raharaha fanolanana? Sanatria, toa misy miandany amin’ny olon-dratsy. Na tsy firy ny miady ny zon’izay iharam-pahavoazana. Misy mijery amin’ny solomaso politika aza: na inona na inona atao, tsy mety sy tsy mahasoa avokoa? Dia toherina, haratsiana…
Manginy fotsiny, amin’izany rehetra izany, ny tsy fanomezan-kasina ny andrimpanjakana: efa izay, ohatra, ny volavolan-dalàna natolotry ny mpanatanteraka, nolanian’ ny mpanao lalàna, nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Miara-dalana amin’ izany ny fananana kolontsaina manara-dalàna, fa saika tsikeraina sy toherina avokoa izay mitranga sy atao rehetra; eny, na misy aza ny rafitra fiadiana izany. Tsy mahagaga raha mitsabaka ny any ivelany, raha ny ato anatiny aza tsy tena milamina sy mifampahatoky. Mila miady ny ato anatiny hilaminan’ny any ivelany?
R. Nd.