Antoko Arema: “Hamafisina ny fampianarana lalàna”

Naneho ny heviny manoloana ny tranga fanolanana ny eo anivon’ny Arema. Nambaran’ny sekretera nasionaly, Ratsi­raka Annick, fa mahazo vahana izany izao. “Ilaina ny fampiharana sy fampahafantarana ny lalàna. Tsy ijerena tavan’ olona koa anefa ny fampiharana izany. Tokony hofaizina ireo tratra nanao ny tsy mety”, hoy izy. Nanamarika ny 8 marsa tamin’ny alalan’ ny fambolen-kazo teny Bongatsara ny vehivavy sy ireo mpikatroka Arema maherin’ny 2 000, ny zoma teo. Nanterin-dRatsi­raka Annick tamin’izany fa anisan’ireo toerana manan-tantara ho azy ireo io tany nambolena hazo io fony fitondran’ny amiraly Ratsiraka.
Etsy andaniny, nambarany fa maro anisa ny vehivavy eto amintsika. Manana andraikitra lehibe eo amin’ny fiarahamo­nina misy azy izy ireny.

Synèse R.

Partager sur: