Famoronana distrika: “Matahotra tsy hahazo maro anisa ny mpitondra”

Naneho ny heviny momba ny famoronana distrika vaovao, ny filoha nasionalin’ny Otri­kafo, Rabevahiny Elia. Nam­barany fa tafiditra anatin’ny kajikajy politikan’ny mpitondra fanjakana, izay mitady ny maro anisa eo anivon’ny Ante­ni­mi­erampirenena izany. “Manao ny fomba rehetra hahazoana an’izay ry zareo. Anisan’izany io fanokafana ny distrikan’An­tanimora Atsimo io”, hoy ha­trany izy. “Tamin’ny fotoana tsy mbola nahafantarana sady tsy namoahana ny datim-pifidianana solombavambahoaka hoe amin’ny 29 mey no na­moahana an’izay distrika vaovao izay. Eo ny kajikajy politika, hany ka tonga hatramin’ny hoe efa mivoaka ny datim-pifidianana ary antomotra ny fifidianana vao avoaka ny fisian’ ny distrika vaovao. Izany hoe, tampohina fa tsy ho tafao­mana amin’izany ny sehatry ny fanoherana, fa tsy maintsy ry zareo ao anatin’ny fanja­kana ihany no efa mahafantatra sy efa miomana amin’izay lafiny izay.’, hoy izy.
Betsaka ireo kaominina maromaro mitambatra no tokony hahazo distrika eto Madagasikara. Mba tokony hatao amin-kitsim-po ny fa­naovana ny resaka. Amin’ny vanim-potoana tsy mbola iheverana fifidianana no tokony ho efa nodinihina izany. “Raha atao toy izao ny raharaha, hita be hoe tahotra ny tsy hahazoan’ny mpitondra fanjakana maro anisa eny anivon’ny Antenimierampirenena no amoahana distrika vaovao toy izao”, hoy izy namarana ny fifampizarana.

R. Nd.

Partager sur: