Fananantany : karatany 6 987 voazara tao Toamasina II

Laharam-pahamehan’ny fanjakana ny fizarana karatany ho an’ny Malagasy manerana ny Nosy entina hampandrosoana ny firenena. Karatany 6 987 no voazara ho an’ny mponina tao Toamasina II, ny faran’ny herinandro teo.

Mitohy hatrany ny hetsika fizarana karatany sy bokin-tany ataon’ny fi­tondram-panjakana mane­rana ny Nosy. Anisan’ny nisitraka ny tetikasa ny faritra Atsina­nana. Tonga tany an-toerana, ny sabotsy teo, ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, sy ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsito­haina Naina, nizara karatany 6 987 isa. Ni­si­traka izany ny tanànan’i Betai­nomby, Tanan­dava ary Amba­lamanasy. He­tsika izay tafiditra indrindra amin’ny fanomezana bokin-tany 50 000 sy karatany 2 000 000 manerana an’i Mada­gasikara sy hanomezan-danja ny vehivavy. Tan­jona, araka izany, ny hahafahan’ny Mala­gasy misitraka ny taniny ka hitondrany anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny fire­nena. “Haverina amin’ny Mala­­gasy ny taniny ary tsy maintsy hitondrana vahaolana ny ady tany rehetra”, hoy ny filoham-pirenena manoloana ny ady tany tao Ambalama­nasy. Nilaza izy fa nandrai­sana fe­petra ny raharaha ka naverina tamin’ ireo mponina ny tany ao an-toerana. Nentina nana­mari­hana izany ny fanome­zana karatany sy bokin-tany ho an’ireo tokantrano miisa 445.

Ady amin’ny kolikoly
Hentitra ny fanjakana ma­noloana ny hala-tany, na ho an’ny tanim-panjakana izany na ho an’ny tanin’olon-tsotra. Nilaza ny minisitra Andriantsi­tohaina Naina nandritra izany fa “ny ankabeazan’ny fitarainan’ny olona dia mahakasika ny fananan-tany avokoa”. Nam­­­barany, araka izany, fa hisokatra tsy ho ela ny birao handray ny fitarainana ho an’ny faritanin’i Toamasina. Vonona ny hiady ho an’ny vahoaka ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany manoloana ny hala-tany amin’ny endrika samihafa. Ankehitriny, “efa tratra avokoa ny hosoka nataon’ireo izay nilaza ho tompon-tany ka nandroaka ny mponina tao Am­balamanasy ary handraisana fepetra avy hatrany”, hoy ha­trany ny minisitra.

Henintsoa Hani

Partager sur: