Notendren’ny papa Fransoa ho evekan’i Miarinarivo ny Mgr Rakotoarisoa Jean Claude. Efa vikera jeneralin’ny diosezin’i Tsiroanomandidy ary tale nasionalin’ny Œuvres Pontificales Missionnaires izy, mialoha izao fanendrena izao. Nianatra sy nandalina ny “Droit canonique”, tany Roma. Tsiahivina fa teraka ny 4 oktobra 1971 ny tenany
Hanao fivoriambe ny Sendikàn’ny mpirakidraharahan’ny fitsarana (SGM) ny 22 marsa izao. Hisy ny tatitra sy fanapahan-kevitra amin’ireo fitakian-dry zareo. “Tsy hita manangasanga na kely aza hatramin’izao ny amin’ny fangatahan’izy ireo”, hoy ny filohan’ny SGM, Randriamaharo Alain Michel.
Nahazo milina fanjairana, miaraka amin’ny kofehy, hety, valonan-damba, lafaoro, lafarinina, siramamy, koveta, fitaovana fanaovam-bolo ireo vehivavy voafonja, ao Toamasina. Nanolotra izany tany an-toerana ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana. Fijerena ny maha olona sy ny hiverenan’izy ireo eny amin’ny fiarahamonina izany, araka ny nambarany.
Miisa 6 987 ireo karatany nozaraina tao amin’ny distrikan’i Toamasina II, ary nomena vahana manokana ireo vehivavy, ny herinandro teo. Nozaraina koa ny ampahany amin’ny titra faobe ho an’ny tany “Le Haras” ao Ambalamanasy. Fanambin’ny fitondram-panjakana ny hizarana karatany hatramin’ny 2 tapitrisa manerana ny Nosy.