Firenena anisan’ny miaina ny fiovaovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Lasibatra ny fambolena, izay mazàna miantraika amin’ny fiainan’ny mponina ny sy vidim-piainana andavanandro. Noho izany, nisitraka famatsiam-bola mitentina 53 856 003 dolara, avy amin’ny filankevi-pitantanan’ ny Fonds vert pour le climat (FVC), ny fandaharanasa DEFIS+. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tantsaha manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ao anatin’izany ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fanatsarana ny fanjarian-tsakafo any amin’ireo faritra samihafa. Marihina fa fanampiana entina hanatanterahana ny tetikasa ny vola 41 045 298 dolara amin’ izany, raha toa ka fiaraha-miasa ny FVC sy FIDA kosa ny famatsiam-bola mitentina 96 986 441 dolara.
Fandaharanasa
Hipaka amin’ireo mpisitraka mivantana sy ankolaka ny tetikasa ny famatsiam-bola. Tantsaha miisa 447 201 no hahazo tombontsoa mivantana raha toa ka manodidina ny 3 543 719 ireo mpisitraka ankolaka. Tanjona hapetraky ny fandaharanasa DEFIS+ ny hanamafisana ny rafi-pamokarana ara-pambolena sy
ny fanalefahana ny entona (GHG) ka hampiroborobo ny fambolena maharitra. Hiasa mandritra ny enin-taona any amin’ny faritra Amoron’i Mania, Matsiatra ambony, Vatovavy, Fitovinany, Ihorombe, Atsimo Atsinanana ary ireo tokantranona tantsaha marefo ny tetikasa. Izy ireo izay mizaka ny fiovaovan’ny toetr’andro eto Madagasikara.
Henintsoa H.