Nanatanteraka ny hetsika Tokobe tao Isorana ireo Zanak’Isandra, ny herinandro teo. Fotoana nanamafisan’izy ireo ny firaisankina.
Vory lanona tao an-drenivohitry ny distrika ny solontenan’ny fokontany 104, mandrafitra ny kaominina 13 any an-toerana. Nanatrika ny hetsika Tokobe, notontosaina ny faran’ny herinandro, izy ireo. “Porofointsika fa mandala ny firaisankina sy ny fihavanana isika. Marika izany fa tsy voazarazara ka hampita ny fanilo
amin’izany ho an’ny taranaka”, hoy ny mpitarika, Rahoto Ralambozafy.
Anisan’ny mampiavaka ny distrikan’Isandra, ao anatin’ ny foko Betsileo, ny Tokobe: fatana kitay maromaro mitandavana anaovana nahandro sakafo faobe. Manambara am-pahibemaso ny fiombonam-po sy firaisankina, efa nisy hatramin’ny taloha izany. Samy nanana toko maromaro ireo kaominina. Nifandimby nifanome tanana mba handrindra ny Tokobe.
“Maneho fifanomezan-tanana sy fandraisana andraikitra. Hampiraisana ny mponin’ Isandra », hoy izy ireo.
Efa 17 taona ny hetsika Tokobe firaisankina. Nampiarahana tamin’ny fanamarihana ny andron’ny 8 marsa izany. Nisy ny diabe sy fambolen-kazo ary koa ny hetsika ara-kolontsaina, mampiavaka ny faritra. Nomarihina tamin’izany koa ny faha-50 taona nihiran’i Baba Raprosy, mpitendry lokanga sangany.
Synèse R.