Nalefa eny Tsiafahy : roa lahy namono mpamily taxi-moto

Maty nokofonina tamin’ny “big boss”, teny Mahitsy, ny mpitondra taxi-moto iray. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy ireo roa lahy ahina ho namono azy.

Voasambotra tao Soavi­masoandro, ny talata 5 marsa lasa teo, ireo roa lahy namono mpanao taxi-moto iray. Nahita sera, nitondra olona tany Mahitsy ilay tovolahy vao 24 taona. Naka ny moto tao amin’ny mpampiasa azy, ny alahady 3 marsa. «Nalain’ny lehilahy iray izy ka nizotra nihazo ny toerana nifanarahany», hoy ny fana­zavan’ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, nandray an-tanana ny famotorana.
Tsara homana ny halatra sy vono olona. Tsy nanampo na inona na inona ilay lasibatra. Efa nisy lehilahy iray hafa, naman’ity mpanjifa niandry azy ireo tamin’ny toerana mangingina. Teo akaikin’ilay Pylône ao Mahitsy no nandrobana sy namonoana azy. Notoranin’ilay mpandeha ta­min’ny «Big-boss» ilay mpitondra moto. «Novonoin’io lehilahy mpandeha io sy ny namany iray hafa izay efa niandry azy tamin’ny hazo ilay mpanao taxi-moto tamin’io alahady 3 marsa io», araka ny fanamafisan’ny zandary hatrany.
Hamidy

Nikoropaka niantso ilay mpanao taxi-moto ny mpampiasa azy ny harivan’io ala­hady io. Tsy nisy nandray in­tsony ny finday. Nanatona mpi­tandro filaminana izy ireo, ny alatsinainy 4 marsa. No­ka­rohina tamin’ny alalan’ny GPS ilay moto ka noraisim-potsiny tao Soavimasoandro.

Nanaovana vela-pandrika ireo jiolahy, voasambotra ny marainan’ny talata 5 marsa. “Efa nokasain’izy roa lahy hamidy tany ambanivohitra ilay moto”, hoy ny zandarimaria miasa eo amin’ny tobim-paritra Itaosy. Tratra teny amin’ny iray tamin’ireo jiolahy ny “Big boss” nampiasainy nandritra ny fandrobana. Na­tolotra ny fampanoavana ireo olon-dratsy ireo ka naiditra eny Tsiafahy, afakomaly.

Tsiferana R.

Partager sur: