Taom-baovao malagasy : famerenan-kasina ny maha olona sy ny firenena

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tetsy amin’ny kianja masoandro, ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy, omaly hariva. Nosokafana tamin’ny alalan’ny fandrehetana ny afotsimaty izany. Tonga nanokatra izany ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Randriamananoro Augustin.

“Famerenena indray ny hasina maha olona sy ny fifankatiavan’ny Malagasy rehetra ary ny soatoavina feno eto amin’ny firenena ny taom-baovao”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Randriama­na­noro Augustin, nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny taom-baovao teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana, oma­ly hariva. Nilaza izy fa hitondra ainga vao ho an’i Madagasikara ny fanaovana izany. Nohamafisiny hatrany fa androm-pamelana sy androm-pifankatiavana ary androm-pidiovana ihany koa ny andro toy izao ka zava-dehibe. “Hamadika ny lasa sy hanadio ny rehetra tokony havalona ary hamitrana izay rovitra isika, mandritra izao lanonana izao”, hoy hatrany izy. Tanjona ny mba ho olom-baovao hanana fijery tsara kokoa hatrany, eo am-pamerenan-kasina ny tantaran’ny firenena, ny Malagasy. Mariky ny hazavana sy ny hafanana eo amin’ny tsirairay ny fitahirizana ny afotsimaty. Midika fa fidiovana sy fanalana ny ratsy rehetra tsy nety teo amin’ny fiainana ihany koa ny fandrehetana azy io.
Notohizana tamin’ny fitsofan-drano nataon’ireo taranaka Andriana eto amin’ny Nosy ny hetsika teny an-toerana. Tonga nanatrika ny hetsika ireo solontenam-panjakana. Toy ny minisitra isan-tsokajiny, ny printsesy, ny andriana maro… Marihina fa ankalazaina manerana ny Nosy sy ny vohitra 12 eto Imerina ny taom-baovao malagasy ho an’ny anio.

Mino

Partager sur: