Nahatanteraka ny fanambiny ny Quatuor & Squad! Tontosa tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, ilay fampisehoana « Mifankatiavana ihany». Seho nahitana avy hatrany ilay fahaiza-mitendry zavamaneno sy mandrindra ny fampiarahana ny feon’izy ireo. Tamin’ny alalan’ny «lokanga» isan-karazany no nanatontosan’ny Quatuor & Squad izany.
Hotohizana amin’ny alakamisy 14 marsa izao, ao amin’ny Institut français de Madagascar Analakely ny fandaharam-potoana amin’ny « Temps fort théâtre ». Hanomboka amin’ny 6 ora hariva no hiaka-tsehatra ny tropy Nouvelle Scène Madagascar. Holalaovin-dry zareo amin’izany ny tantara «Sikotra».
Mitohy androany, any amin’ny toerana maro manerana ny Nosy, ny fankalazana ny Taom-baovao Malagasy 2024. Hotanterahina amin’izany ny santabary, ny fihinanana ny vary amin-dronono tondrahan-tantely, ny tsodrano zava-mahery, ny lanonana hanehoana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Marihina fa efa nialohavana fidiovana sy fitondrana harendrina ny hetsika, omaly.
Niova ho Tahiry Bagasy ny anarana hoentin’i Tahiry Pazzapa, raha ny nambaran’i Lydie Ratefiarison, filohan’ny Sehatra Bagasy, omaly. Taorian’ny seho sy fizarana fahaiza-mihira notanterahin’i Tahiry sy Michou, tao amin’ny Espace Aro Antsahavola no nisalorany io anarana io. Marihina fa anisan’ny tia sy havanana amin’ny fikaloana ny hira fahiny i Tahiry sy Michou.