«Temps fort théâtre» : nahasarika olona ny tropy Jeannette

Nosokafana, omaly, tao amin’ny Institut français Madagascar (IFM) Analakely, ilay hetsika «Temps fort théâtre», andiany voalohany. Ny tropy Jeannette, anisan’ny zokiny indrindra amin’ny filalaovana teatra eto Madagasikara no nisantatra izany tamin’ny alalan’ny fikaloana ireo hira teatraly nanana sy mbola manana ny maha izy azy ankehitriny. Fantatra fa anisan’ny mampiavaka ny teatra malagasy ny fananana hira hoenti-mandravaka sy mameno ny voalazan’ny vontoatin’ny tantara. Ireny hira any anaty teatra ireny na ny hira teatraly no nantsoina hoe kalon’ny fahiny, taty aoriana.
Ho an’ity andiany voalohany ity, tropy na tarika mpilalao teatra dimy no hanatanteraka ny seho. Ny tropy Jeannette, Compagnie Miangaly Théâtre, Compagnie Nouvelle Scène Madagascar, Lamine Diara (Frantsa), Compagnie Mangano Massip (Frantsa).
Fantatra fa hotanterahina isan-taona ny «Temps fort théâtre». Ankoatra ireo endrika mampiavaka ny seho teatraly, omena toerana lehibe ihany koa ny fikarohana.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: