Nahoraka ny fankalazana ny Andron’ny 8 marsa tao Toamasina. Ambohi-pihaonan’ny vehivavy maherin’ny 15000 izay avy amin’ny lafivalon’ny Nosy izany. Efa nitodi-doha namonjy fodiana ny ankamaroan’ny mpizaika. Indrokely, nanomboka nampiaka-peo kosa ny tompon-tanàna. Mizara ny fahasorenany ny renim-pianakaviana sasany sy ny fikambanam-behivavy maro. “Natao fitaovana hanamaro olona eo anoloan’ny araben’ ny fahaleovantena ho hitan’ny Filoha fa nahavory olona ny mpitondra eto an-toerana. Tsy mety aminay ny fanovana ny mahazatra hatramin’ izay, tsy anisan’ny olona afaka nilahatra nandalo teo anoloan’ny lapihazo misy ny manamboninahitra izahay”, hoy ny fitarainana.
Raha hiverenana ny zava-niseho tamin’ny Andron’ny fankalazana ny 8 marsa, teo anoloan’ny Lapan’ny faritra Atsinanana no nisy ny lapihazo. Izay fikambanam-behivavy nisoratra anarana teo anivon’ny sampandraharahan’ny mponina sy firaisankina dia afaka nandray anjara tamin’ny filaharana avokoa sy mandalo eo anoloan’ny lapihazo misy ny manampahefana.
Tampoka, niova ny fandaminana rehefa tonga ny ekipa iray hafa avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika. Nafindra teny amin’ny Espace Miami, teny amoron-dranomasina ny lapihazo. Vokany, noferana ny isan’ny fikambanana afaka mandalo eo anolon’ny filohan’ ny Repoblika, mivady. Voailika ny mpilahatra izay efa niandry nanomboka tamin’ny 6 ora maraina. Nody avy hatrany ny akamaroan’ireo nahatsiaro ho voailika. Nisafidy nanao fety teny an-tanànany izy ireo.
Sajo