Tontolon’ny hira : nodimandry i Mika Kely Bassiste

Lavo ny andrarezina! Nodimandry, omaly, i Raoel Brice Mick Angelot, fantatra amin’ny solon’anarana Mika Kely Bassiste. Araka io, ny fitendrena gitara « basse » (gitara migobom-peo) no tena nahafantarana azy. Tarika sy mpanakanto maro manana ny lazany no nametrahan’i Mika Kely Bassiste ny dian-tanany. Anisan’izany ny tarika ‘Zay, Samoëla… Ankoatra ny fitendrena gitara, nisahana ny fandrindrana hira ihany koa izy. Mpanakanto sy tarika maro ihany koa no nampiany tamin’izany talentany izany. Fahatsorana sy fizarana am-pitiavana. Io no anisan’ny nanamarika an’i Mika Kely Bassite nandritra ny fotoam-pahavelomany. Nentiny tany anivon’ny zavakanto nataony izany ka nananany namana maro nifandray am-po taminy.
Raha tsiahivina, ny voalohandohan’ity taona 2024 ity no nahitana fahavakisany ny lalandra ao amin’ny lohan’i Mika Kely Bassiste. Io no nitarika ny fampidirana azy hopitaly. Niitatra anefa izany ka tsy maintsy nanatanterahina fandidiana lehibe ny lohany.
Nisy hatrany ny fifanomezan-tanana nataon’ny mpitia zavakanto, namana sy mpanakanto maro nandritra ny fotoana nitsaboana azy.
Mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny Mika Kely Bassiste sy ny tontolon’ny zavakanto malagasy ny Gazety Taratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: