Lehilahy nangalatra moto miisa roa voasambotra tao Ambohitrarahaba, afakomaly. Nanamafy ny fanaraha-maso teny amin’ny manodidina noho ny firongatry ny halatra moto tato ho ato ny polisy. Nitondra kojakojana moto io lehilahy io ary nampiahiahy ny fihetsiny. Noraisim-potsiny taorian’ny fanadihadiana azy ity lehilahy ity.
Tranombarotra iray lasibatry ny fandrobana tao Ambalampa, Ambalabe Andrefana, distrikan’Antsohihy, ny 9 marsa teo. Notsoahin’ireo mpandroba ny varavarankely. Lasa avokoa ny ankamaroan’ny entana rehetra.