Nihena ny tahan’ny fampiasana ireo « blocs pétroliers » eto Madagasikara. Miisa 18 ireo « blocs » niasa ny taona 2018, lasa 10 izany ny taona 2019, raha 6 ny taona 2020. Mihatakona eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny Nosy malagasy rehefa naato ny fitrandrahana solika nanomboka ny 2019. Voafetra ny fampivoarana ny sehatry ny solika eto amintsika.
Miisa 20 ireo toeram-pitrandrahana volamena tsy ara-dalàna eto Madagasikara, nandritra ny taona 2023, araka ny tatitry ny filan-kevi-pitantanana momba ny harena an-kibon’ny tany. Marihina fa am-polony ireo mpanivana volamena tsy ara-dalàna tratra teo amin’ny reniranon’i Kamoro, tany Maevatanana.
Niakatra ho 83,11 dolara ny vidin’ny baril (baril de Brent) amin’izao. Ho tonga eny amin’ny tsena amin’ ny volana mey izany fiakarana 1,44% izany. Manodidina ny 79,41 dolara, izany hoe, niakatra 1,47% ny vidin’ny baril Amerikanina (West Texas intermediate) ho an’ireo ho tonga eny an-tsena amin’ny volana Avrily.
Mahatratra 6 033 miliara Ar ny vola azo tamin’ ny fanondranam-bokatra avy amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany, ny taona 2023. Manodidina ny 81,43% kosa ny tahan’ny fampodiana vola vahiny avy amin’ity sehatra ity tamin’ny taon-dasa. Vina ny hampiakarana hatrany ny vola azo amin’izany, hampandrosoana ny toekaren’ny firenena.