Ady amin’ny herisetra (VBG) : notoloran’ny talem-paritry ny UNFPA amboara Rajoelina Mialy

Tontosa omaly, teny Anosy, ny dinidinika nataon’ny tomponandraikitra ambony mpanapa-kevitra sy ny mpiray ombon’antoka momba ny fanokanana vola, hanafainganana ny miralenta, izay teo ambany fiahian’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy.

Nanotrona ny fihaonana ny talem-paritry ny Ta­hi­rin’ny Firenena mi­kam­bana momba ny mponina (UNFPA) ho an’i Afrika Atsi­nanana sy Atsimo, Lydia Zigomo. Mitsidika an’i Ma­da­ga­sikara ity tomponandraikitra ambony ity hatramin’ny anio. Efa dimy taona no nanao ezaka maro niadiana tamin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy (VBG) ny vadin’ny filoha sady tompondakan’ny ady amin’ny herisetra eto Madagasikara rahateo. Mifanojo amin’ny fomba fijeriny sy ny ady sahaniny ny hetsika nokarakarain’ ny UNFPA, omaly, ka tsy nisalasala izy hiahy izany.
Notoloran’ny UNFPA, ta­min’ny alalan’ny talem-paritra, amboara ho fankasitrahana noho ny ezaka nataony tao anatin’izay 5 taona, Rajoelina Mialy, amin’ny maha tompondakan’ny ady amin’ ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy azy.
Ny herisetra dia sakana ho an’ny fampandrosoana sy ny fampivoarana ny vehivavy sy ny tovovavy. Na efa maro aza ny ezaka vita noho ny fiaraha-mientan’ny sehatra samihafa, mbola maro koa ireo fanamby miandry manoloana ny firongatry ny herisetra ankehitriny. Matetika tsy afaka mitaraina na miteny akory ireo tratry ny herisetra. Ny hetsika omaly no sehatra nanaovan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika antso in­dray ho fiaraha-mientan’ny tsirairay avy ho fanafainganana ny famongorana ny herisetra sy ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizy.
Anisan’ny noresahiny iha­ny koa ny fampidirana ny resaka fandrindram-piterahana, izay zava-dehibe anatin’ny tolona atao. Nanome toky ny hanohizana hatrany ny ady amin’ny herisetra izy ary hijoro ho mpiaro ny zaza sy ny vehivavy manoloana ny herisetra, araka ny efa nambarany tamin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy farany teo.

Vonjy A.

Partager sur: