Airtel Madagasikara: Tambajotra avy amin’ny zanabolana

Nampahafantarina omaly, ny tolotra vaovaon’ny Airtel Ma­dagasikara, ny tambajotram-pifandraisana amin’ny alalan’ny zanabolana, nomena ny anarana hoe « Airtel Satellite ». Nila­za ny tale ara-barotra Airtel Ma­dagasikara, Randria­manana Santatriniaina, fa misy ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa mpamatsy tolotra avy amin’ny zanabolana. Ahazoan’ny mpanjifa tambajotra tena matanjaka izany hatrany amin’ny toerana tena lavitra, marin-toerana sady tsy mifidy fotoana. Saha­za ny rehetra, tsara kalitao ho an’ny mpandraharaha, ny orinasa madinika sy ny salantsalany, ny fikambanana tsy miankina na koa ny sampandraharaham-panjakana.
Natao tany Afrika Atsimo ny andrana tamin’ny septambra 2023, ka atomboka eto Mada­gasikara ny fampiasana azy amin’ireo firenena 14 aty Afrika.
Nanamafy Rtoa Anne Catherine Tchokonté, tale jeneralin’ny Airtel Madagasikara, fa « azo ampiasana amin’ny fotoana sy ny zava-drehetra ity tambajotra avy amin’ny zanabolana ity ».
Zanabolana ambany fipetraka, 160 hatramin’ny 2 000 km miala amin’ny tany, eny amin’ny habakabaka ny teknolojia ampi­asaina, « Loaw Earth Orbit » (LEO). Izany no antony mampatanjaka ny tambajotrany.

Njaka A.

Partager sur: