Olona 20 indray naratra tamin’ny lozam-piarakodia tao Begoaika, fokontany Antemitra, kaominina sy distrikan’ Antanifotsy RN 7, Pk 103+600, afakomaly hariva . Fiara Sprinter, taksiborosy iray avy any Antsirabe hiakatra an’Antananarivo no nivadika tampoka teny am-pandehana rehefa nidina ny fidinana misy fiolahana ivelan’ny tanàna. Nivadika nivoaka ny lalana amin’ny ilany havia ny fiara. Tandrevaka nataon’ny mpamily no voalaza fa nahatonga ny loza, raha ny tatitra nampitain’ny zandary. Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahafehy ny familiana intsony ary izao nitera-doza izao. Naratra ny mpandeha 20 tao anaty fiara ka nalefa haingana namonjy ny hopitalin’ Antsirabe sy Antanifotsy. Nifanome tanana tamin’ny fanampiana ireo niharam-boina ny zandary. Na teo aza anefa izany, tsy nisy ny aina nafoy. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny zandary.
J.C