Manomboka anio ny volana masina ramadany, volana manan-danja ho an’ny mpino silamo eto Madagasikara sy maneran-tany. “Volan’ny fifehezan-tena ny volana ramadany, sady natao hifanampiana sy hifampizarana ho an’ireo mpiara-belona rehetra”, hoy ny cheik Hassan, omaly, teny
amin’ny Centre Rassoul Akram, Antohomadinika. Tokony hanana fo madio ny mpino ka ilaina ny fifamelana amin’ny samy mpino silamo ary hanokatra fo mifantoka amin’ny fivavahana. Volan’ny fiovana sy ny fanatsarana ny fiainana amin’ny ankapobeny izany. Alohan’ ny fivavahana maraina ka mandra-pilentiky ny masoandro ny fifehezana isan’andro.
Mitombo ny asa fanampiana rehefa ramadany ka ilaina ny mampiseho fa manatanteraka ny baikon’Andriamanitra ny mpino. Noho izany, hizara sakafo ho an’ny olona sahirana 5 000 eny amin’ny Centre ny tomponandraikitra, mandritra ny 30 andro. Hisy fizaham-pahasalamana maimaimpoana koa hotanterahina ao amin’ ny dispensaire islamique eny Ampasika, mandritra ny volana ramadany, ho tohana ho an’ny mpiara-belona. Mitety toerana mikarakara marary, toy ny hopitaly sy ny toeram-pandraisana zaza maditra, eny Manakavaly, ireo mpino ary mitondra tohana araka ny filan’izy ireo. Hisy kilalao maro koa amin’ny RNM sy ny TVM iraisan’ny rehetra na mpino silamo na tsia, hoy ny mpiandraikitra ny serasera ao amin’ ny Centre, Nirinasoa Asma.
Vonjy