sdsdsdTontosa tany Ambatondrazaka, ny sabotsy 9 marsa lasa teo, ny fifaninanam-pirenena, “Cross Country”, taranja atletisma. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny sokajy “senior”, lehilahy, Rakotondrainy Heriniaina Elysé, avy amin’ny Cosfa. Tontosany tao anatin’ny 31 mn 04 s 2/100 ny halavirana 10 km. Mbola mpihazakazaka avy amin’ny miaramila ny faharoa, Rambeloson Fidèle Haveloma, nahatontosa izany tao anatin’ny 31 mn 34 s 33 %, ary fahatelo, Andrianantenaina Antonio Nirina, avy amin’ny CAAM Amoron’i Mania, 31 mn 39 s 4/100. Nifampitana tsara ireo mpifaninana teo amin’ny 5 km saingy taorian’io no tafatsoaka i Elysé ka tsy tratra intsony.
Ralisinirina Marthe avy amin’ny 3FB Analamanga kosa ny voalohany teo amin’ ny vehivavy, rehefa nahatontosa ny fifaninanana tao anatin’ ny 38 mn 38 s 9/100, narahin’i Sendrafefiniaina Marie (CAMI) Itasy, tara 2 mn taoriany, 40 mn 04 s 2/100. Namarana ny lampihazo, Rafaliarisoa Noel Ange (AS Fanalamanga), 40 mn 20 s 5/100.
Nahatratra 210 ireo mpifaninana avy amin’ireo ligim-paritra miisa 13, Analamanga, Vakinankaratra, Itasy, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Atsimo Andrefana, Boeny, Ihorombe, Fitovinany, Bongolava, Alaotra Mangoro, Anôsy, Atsinanana.
Tompondaka