Hanaovana filankevitry ny minisitra manokana any Toamasina, ny volana avrily izao, araka ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry tany an-toerana, ny herinandro teo. Anisan’ny anton’izany ny faharatsian’ny fotodrafitrasa sy ny fahalotoan’ny tanàna ary ireo olana samihafa ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana.
Manohy ny asa sosialy ataony ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, eny amin’ny boriborintany fahenina, ny herinandro teo. Anisan’izany ny fampianarana ny teny anglisy sy teny Alemà ireo tanora. Ny fanofanana ireo hikarakara sy hanampy ireo zokiolona, ankoatra ny fanampiana ireo mpanao fanatanjahantena.
Mametraka ho laharam-pahamehana hiadiana amin’ny kolikoly, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, araka ny nambaran’ny minisitra Rakotoarimanana Herilala, tany Toamasina, ny sabotsy teo. Anisan’izany ny fanafainganana ny fahazoana pasipaoro sy ny fanadiovana anatiny eo anivon’ny polisim-pirenena.
Anisan’ny andrin’ny demokrasia sy ny fitoviana ara-tsosialy ny miralenta, araka ny fampiofanana sy famelabelaran’ny FES. Nambaran’izy ireo fa ilaina ny politika sy ny paikady amin’ny hisitrahan’ny vehivavy ny zony. “Mitaky fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra izany”, hoy izy ireo.