Vonona hanampy ny firenena Afrikanina amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena i Sina. Mila jerena manokana ireo sehatra mifanaraka amin’ny filan’ny firenena Afrikanina ao anatin’ny fanajana ny tombontsoan’ny firenena roa tonta.
Mpiara-miasa akaiky amin’i Madagasikara ny firenena sinoa, indrindra amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny toekarena. Voaresaka izany nandritra ny fihaonambe faha-13 eo amin’i Sina sy i Afrika, Forum Think Tanks Chine-Afrique (CATTF) tany Dar Es Salaam, renivohitr’i Tanzania, ny zoma teo. Nisolontena an’i Madagasikara, nandritra ny CATTF, i Nandrasanela Elise, mpianatra eny amin’ny ENAM Androhibe. Nitondra ny heviny momba ny fiaraha-miasa eo amin’i Sina sy i Madagasikara izy. Nasongadiny manokana ny zava-bitan’ny firenena Sinoa ho an’i Madagasikara, toy ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa isan-karazany, ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny mpianatra hanohy fianarana any Sina. Eo koa ny tetikasa famatsian-drano ny any atsimon’ny Nosy ary ny fanampiana ireo teratany sinoa mpitsabo ny Malagasy. Mandrisika ny firenena Afrikanina hiara-hiasa sy hanamafy ny fifandraisany amin’ity firenena lehibe ity i Nandrasanela Elise noho ireo tombontsoa maro azo avy amin’izany. Ankoatra izay, antso avo hanarenana ny tsy ara-drariny hiainan’ny firenena Afrikanina amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena ny CATTF. Tanjona ny hanamafisana ny demokrasia sy ny hampiroboroboana ny fandraisan’anjaran’ireo firenena andalam-pandrosoana amin’ireo rafitra iraisam-pirenena.
Fampandrosoana iombonana
Nisongadina nandritra ity fihaonambe faha-13 eo amin’i Sina sy i Afrika ity ny maha zava-dehibe ny fampiroboroboana ny tontolo marolafy mifandanja, hanamorana ny fampandrosoana iombonana, ka homena lanja ny fanajana ny fiandrianam-pirenena, ny fiarovana ny sisintany ary ny fampandrosoana ny firenena tsirairay. Ankoatra izay, nanamafy ny CATTF fa ilaina ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana mifototra amin’ny fifanajana, ny firaisankina, ny fahaombiazan’ny firenana tsirairay, entina hanohanana ireo firenena Afrikanina amin’ireo fikarohana mifanaraka amin’ny filany sy ny kolontsainy. Noho izany, nampivondrona ireo firenena vonona hampandroso ny sehatry ny toekarena ny CATTF, hanamafisana ny fitantanana sy hamprisihina ny fandraisana fepetra entina hampiroboroboana ny fizarana fahalalana. Samy naneho ny fahavononany hanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny Sina, ireo firenena 54 nandray anjara tamin’ny fihaonambe, singanina manokana amin’izany ny fampiroboroboana ny sehatry ny toekarena.
Henintsoa Hani