Fifaninanana kabary : nomena lamba vita fomba ny nandresy

Nanaovana fifaninanana maro samihafa ny hetsika fankalazana ny 8 marsa teny Ambohidratrimo. Nampiavaka izany ny fanasongadinana ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ny vehivavy sy ny fifaninanana ara-kolontsaina, toy ny kabary sy ny vakodrazana. Valo ireo nandray anjara ta­min’ny lalao ara-panatanjahantena, baolina kitra. Efatra ny teo anivon’ny lalao basikety ary 4 ihany koa ny teo anivon’ ny vakodrazana. Nahatratra 6 kosa ireo nandray anjara ta­min’ny fifaninanana kabary tamin’ny sokajy samihafa. Ho an’ny fifaninanana kabary manokana, nanolotra fanomezana manokana, lamba vita fomba ho an’ireo tafakatra sy nahazo ny laharana voalohany sy faharoa i Souleman mpikabary. “Anton’ny nisafidianana io lamba io ny fitondrany ny soa sy ny tsara eo amin’ny fiainan’ilay olona mitondra sy misalotra azy”, hoy i Souleman Mpikabary. Nan­dresy ka nisitraka izany, ny renim-pianakaviana iray 38 taona, sy zazavavy 8 taona. Tanjona ny hipetrahan’ny fanomezana ho fahatsiarovana tsy lefy ao am-po sy eo imason’ny olona. Nambarany hatrany fa saro-pady eo amin’ ny fiainan’ny Malagasy ny lamba, indrindra raha vita fomba. “Ny vola mety ho lany fa ny lamba tsy ho fanadino”, hoy hatrany izy. Tafiditra tao anatin’ny hetsika fankalazana ny 8 marsa, niarahana tamin’ ny faritra Analamanga, ny he­tsika. Niarahana tamin’ny distrika sy ny fikambanam-behivavy notarihin’ny komity teny an-toerana ihany koa.

Mino

Partager sur: