«Madagascourt Film Festival» : fantatra ny anaran’ireo ho mpitsara

Nampahafantarin’ny tomponandraikitra, mpikarakara ny «Madagascourt Film Festi­val» (MFF), omaly, ireo matihanina eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika, hofidina ho mpitsara mandritra ny MFF, andiany faha-19. Miisa enina mianadahy izy ireo, ahitana Malagasy. Anisan’ny fepetra fototra ny fiseharany sy ny fananany ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny sarimihe­tsika.

Anisan’ny hofantenana amin’izany i Felana Rajao­na­rivelo, Andry Ranarisoa, Oswald Rajaonarison, Moha­med Ghasala, Mamaye Idriss, ary Guilliana Fantoni. Raha mitaha ny tamin’ny andiany farany, i Andry Ranarisoa sy Guilliama Fantoni no efa nitsara ny hetsika. Fepetra nisafidianana ireo vaovao kosa ny zava-bitany sy ny nolalovany teo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika. Anisan’izany ny an’i Felana Rajaonarivelo, ny
amin’ny niatrehany ny “Festival International des Films de Femme”, natao tany Cotonou, farany teo. Teo ihany koa ny famokarana horonantsary fanadihadiana maro samihafa, anisan’izany ny «Débout», “(i) Reny”, «Fem­mes aux milles et une facettes».

Raha tsiahivina, hifarana ny 14 avrily 2024 ny fandraisana ny sarimihetsika hifaninana amin’ity hetsika ity. Fifanina­nana misokatra ho an’ny Afrikanina rehetra mpi­angaly sarimihetsika.

Lin

Partager sur: