Nankalaza ny Taom-baovao malagasy isika afakomaly sy omaly. Nahafinaritra sy nahavelombolo ery ny mahita ilay hoe: « an’ny tena ». Tsy nahoraka be toy ny fetim-bazaha akory na andro tsy fiasana, toy ny lanonan-
dehibe. Ny zava-dehibe, manomboka mamerin-kasina tsikelikely izay mampiavaka azy ilay Malagasy. Indrindra ireo heverina fa manampahefana manokana nanao izany.
Mifanindran-dalana amin’ny volana marsa, hanamarihina ny tolom-panafahana teo ambany vahohon’ny vahiny rahateo ny hetsika. Iza tokoa no hanadino ny ady notarihin-dRavoahangy sy Raseta ary Rabemananjara izany? Ahoana no tsy ahatsiarovana ireo olona analinalin-kisa, maty notifirin’ny vazaha sy ny sônagaly?
Fotoana hoenti-manindrahindra ny hasin’ny firenena malagasy sy ny mponina ao aminy izao. Indrindra ny fanalana faditra ireo zava-doza mamoafady miseholany etsy sy eroa. Sanatrian’ny vava, atao hoe firenena zary hisehoan’ny ratsy amin’ny endriny rehetra sisa ilay Madagasikara dia hahasorena antsika. Izay anefa no zava-misy! Mila fihavaozana sy fanavaozana goavambe.
Loza mihantona sa efa loza mitatao ho an’ilay Malagasy tsivakivolo ny zavatra miseholany etsy sy eroa, ankehitriny. Tsy fijery miiba akory izany, sanatrian’ny vava ladian’ny lela fa dia miharihary toy ny vay an-kandrina. Tsy maintsy potseriny dieny mbola misy ny herijika ahafahana mitsabo azy. Sodokan’ny endrika ivelany isika. Iaraha-mahalala anefa fa io fanaovana ravindravina atentina io no mampilentika ilay firenena sy ny vahoaka ao aminy.
Mahazo laka ny fihatsarambelatsihy amin’ny lafiny kolontsaina sy ny soatoavina. Misisika sy misoko miadana toa ron-gisa ny kolontsaina sadasada. Toa misary kivarivary, toa kilalaon-jaza ny fitondran’ny sasany ny zava-misy. Mila mandini-tena lalina Ramalagasy fa mitady ho very tanteraka amin’ny lafiny rehetra eto an-tanindrazany.
r.r