Razanamahasoa Christine : nanotrona azy hatrany ny masoivoho malagasy ao Paris

Tsy marina ny filazana fa tsy noraharahian’ny ambasady malagasy ao Paris ny delegasiona notarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Efa iray volana mialoha no nanomanana ny fikarakarana rehetra.

Nitondra fanazavana momba ny fivahinianan’ny filohan’ny Anteni­mi­erampirenena, Razanama­hasoa Christine tany Fran­tsa, ny masoivoho ao Paris. Nambaran’ny eo anivon’ny ambasady fa teo hatrany ny masoivohon’i Madagasikara, Rajohson Rija, sy ny ekipany tamin’ireo dian’ny delegasionina malagasy any an-toerana. “Nanotrona sy nitarika azy ireo ny masoivoho, na­nomboka tamin’ny fandraisana teny amin’ny seranam-piaramanidina sy nandritra ny fotoana rehetra ary ny fivezivezena niatrehina ilay fihaonana an-tampon’ireo filohana Anteni­miera”, hoy ny fanambarana avy eo anivon’ny ambasady ao Frantsa, ny herinandro teo. Nifanotrona sy nifanome tanana hatrany ny solontenam-panjakana isanisany avy tamin’ny fanatontosana izany fivoriana natrehin’ny delegasionina izany. Niaraka tamin’izy ireo hatrany ny eo anivon’ny ma­soivoho. “Efa nomanina iray volana mialoha izao fivahinianan’izy ireo izao teo amin’ny fampitaovana sy ny fitaterana”, hoy ny eo anivon’ny ambasady ao Frantsa.
Tsiahivina fa anisan’ny nitondra ny fomba fijeriny ny fanabeazana sy ny fitoviana, ny ady atao amin’ny herisetra amin’ny vehivavy ary koa ny haha tokony ho filamatra ny vehivavy ny filohan’ny Ante­nimierampirenena, Razana­ma­hasoa Christine, tamin’ireo dinika natao.
Teo koa ny nandraisan’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, azy 24 mirahavavy, filohan’ny Antenimiera tao amin’ny Lapan’i Élysée.
Araka izany, tsy mitombina ireo vaovao niely fa tsy nandray an-tanana ny delegasionina avy aty Madagasikara ny ao amin’ny masoivoho ao Paris.

Synèse R.

Partager sur: