Anisan’ny faritra nandray anjara tamin’ny FIDS (Forum interrégionale sur la défense et la sécurité) andiany voalohany, notanterahina tany Morondava, ny faritra Bongolava.
Mba ho fanaraha-maso sy fanaovana ny tomban’ezaka miompana amin’izany, nidina ifotony ireo tomponandraikitra momba ny fiarovana notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ny minisitra delege misahana ny zandarimariam-pirenena (MDG), ny Jly Rakotondrazaka Andry. Nizara roa ny fihaonana, ny voalohany, tafatafa niarahana tamin’ny OMC sy ireo solontenam-panjakana ary ny olom-boafidy. Nihaino azy ireo ny minisitra roa lahy sady nanome toromarika. Ny tapany faharoa, niarahana tamin’ireo antokon-tafika telo (ny Tafika, ny Zandary ary ny Polisy) izay nanomezana ireo toromarika hanatsarana ny fomba fiasa manakaiky vahoaka kokoa hatrany. Tamin’izany no nampahafantarana ireo paikady entin’ny MFA mametraka fandriampahalemana mifanaraka amin’ireo andry napetraky ny fanjakana hitantanana ny firenena. Izany rehetra izany dia nialohavan’ny fitsidihana ireo solontenam-panjakana any an-toerana. «Tanjona isam-paritra ny fampihenana ny tahan’ny tsy fandriampahalemana sy ny fanehoana ny maha matihanina ny Foloalindahy», hoy ny MFA. Eo koa ny firosoana amin’ny fanaovana ny Tafika ho moderina, manana fahaiza-manao mifanaraka amin’ireo ambana rehetra.
Jean Claude